Dikan'ny teny : abony na abosy na ambosy

Hampiditra dikany hafa
a.: Fandrisihana na fandroboana olona hanao zavatra tian'ny tena hataony. ¶ M.h.: Risika, robo, tambitamby, safosafo, safovody, safosiaka, pasopasoka, roboka, doka, tsetsaka, tao-na, teny malefaka, ronono an-tavy, kobaka am-bava, lango malemy, volana hatenda, volana mahadradraka, fandria-malemy lafika, lokanga hisatra. 1 Famokisana hanao zavatra na tsara na ratsy, fa indrindra ny zavatra ratsy. ¶ M.h•: Bontsina, fo orne-na, toho-tsofina. / Fitaka atao olona an-kafetsena. ¶ M.h.: Fangopangoka, angoly, saroro, sarory, sodika, solia, sombia, sombe, vohony, vato mafana atolotra, fahan-dalitra, antohim-bato. : t.i.f.: abonna, voabony / manabony, fanabony, mpanabony / anaboniana, fanaboniana / mahabony (( Abosina, voabosy ( manabosy na mambosy, fanabosy na fambosy, mpanabosy na mpambosy ( anabosiana na ambosiana, fanabosiana na fambosiana ( mahabosy na mahambosy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0076